- Publicité SW45 -
mercredi, juillet 3, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFanolanana sy fanendahana: Tratra i Banga sy namany roalahy, jiolahy ikoizana

Fanolanana sy fanendahana: Tratra i Banga sy namany roalahy, jiolahy ikoizana

Naharay fitarainan’olona maro be amin’ny asa fanendahana sy sinto-mahery ary famakiana fiara eny amin’ny “Parking” ny Polisy ao amin’ny Faritany Ambohidahy. Ny faritra Besarety, Ampandrana, Rond Point Ambanidia ary Ambohitsoa iny no tena fanaovan’ireo olon-dratsy ny asa ratsiny. Ny 03 novambra lasa teo dia mpianatra iray no voaendaky ny telo lahy teny Ampandrana Besarety, akaikin’ny FPVM. Lasa tamin’izany ny solosaina iray mitentina 6 tapitrisa Ariary sy clé USB roa). Tonga nametraka fitoriana ny ray aman-drenin’ilay mpianatra ny 11 novambra lasa teo ka dia nidina teny an-toerana ny Polisy nanao fanadihadiana ny manodidina. Telo lahy no tena ikoizana eny amin’io faritra io saingy tsy sahy manonona azy ireo ny manodidina noho ny tahotra. Ny endrik’ireo mpanendaka ireo moa dia efa fantatr’ilay mpianatra voaendaka ka dia nanamora ny fisamboran’ny Polisy. Ny talata 12 novambra dia voasambotra teny Besarety ny iray tamin’ireo olon-dratsy, ilay antsoina hoe Rakotovao Tafitasoa na Tafita, 17 taona. Tamin’ny alalan’i Tafita no nisamborana an’i Ge, na koa hoe Razanakolona Fanomezantsoa Gerard, 23 taona tao an-tranony, teny  Ampandrana. Ny fahatelo kosa dia Randrianantenaina Fenosoa na i Banga, izay tafatsoaka rehefa naheno fa voasambotry ny Polisy ny namany. Izy no atidoha amin’ny asa fanendahana sy famakiana fiara ary koa fanolanana eny amin’ireo faritra ireo, ary mbola karohina. Tamin’ny fanadihadiana ireo roa lahy dia nilaza izy ireo fa teny Andravoahangy no namarotany ilay solosaina entin-tanana ka i “Boss” no nividy izany. Omaly izy ireo no natolotra ny Fitsarana ary notazonina eny am-ponja vonjimaika mandra-piandry ny fotoana hitsarana azy.

 

r.s

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser