Notsaraina teo anivon’ny fitsarana misahana ny heloka bevava Toamasina ilay raharaha mitondra ny laharana 70-TOA/21340-RP/21, izay misahana ny raharaha fanolanana tambabe naha-voaroiroy an’ingahy Désiré Patrice, 47 taona, sy ingahy Razakasoa Fréderic Alphonse, 42 taona. R/kely Nomenjanahary Faratiana Elisabeth, 14 taona, no voalaza fa naolan’izy roa lahy ireo. Ity ankizivavy ity dia nambaran’ny reniny tao anatin’ny taratasy fitoriana fa marary saina. Araka ny fanazavana tao anatin’ny taratasin’ady dia efa tamin’ny 21 Janoary 2021 no efa nataon’izy roa lahy ny filan-dratsiny tamin’ity ankizivavy ity, saingy ny 26 janoary 2021 vao tratra ny fisian’izany. Araka ny fanazavana hatrany dia fanolanana indroa nifanesy no nitranga, saingy olona roa samihafa ireto voapanga ho nahavanon-doza. Voalaza fa mpianatra taona faharoa eo anivon’ny Epp Beryl rose ilay ankizivavy 14 taona, ka “tamin’ny voalohany dia ilay mpiambina ny sekoly nianarako ihany no nanolana, tamin’ny faharoa dia niaraka izy roa lahy ka ny faharoa nanao ny filahiana tany amin’ny fivoahan’ny malotoko raha nanao ny azy tany ambavako kosa ilay mpiambina”, araka ny hita tao anatin’ny taratasin’ady novakoan’ny mpirakidraharaha. Nohamafisin’ny taratasy nataon’ny “centre vonjy” izany voalaza rehetra izany. Tsy tonga tamin’ny fotoam-pitsarana anefa ilay niaram-boina sy ny renin’ilay ankizivavy tompon’ny fiampangana. Raha nivoaka ny didin’ny fitsarana ady heloka bevava nitsara ny raharaha dia nanapaka ny mpitsara fa nafahana tam-pisalasalana izy roa lahy tamin’ity fanolanana nitambabe ity; saingy maro no nametra-panontaniana tamin’ilay fitoriana napetraky ny “centre vonjy” nanamafy ny vesatra tamin’ny zava-nanjo ilay ankizivavy tsy ampy taona. Nambara ihany koa anefa fa mbola afaka mampiakatra fitsarana tampony ireo tsy afa-po tamin’ny didy nivoaka.
Malala Didier