Tamin’ny fahatongavan’ireo tompon’andraikitry filaminana teo amin’ilay toerana voalaza fa nitrangana ny fanolanana dia efa zazavavy mihoson-drà no hitan’ireto farany. Nosamborina avy hatrany ilay tovolahy nahavanon-doza ary nentina nihazo ny biraon’ny pôlisy. Tranga niseho tao amin’ny fokontany iray, tany amin’iny kaominina Tolagnaro iny, ny alin’ny alahady lasa teo. Tokony ho tamin’ny fito ora hariva tamin’io andro io tokoa mantsy dia nisy ny vaovao azon’ny pôlisy fa misy trangana fanolanana tao amin’ny tanana iray antsoina hoe Lagnirano. Vao nahazo ny vaovao ireo mpitandro filaminana dia nidina avy hatrany teny amin’ny toerana voalaza ary fotoana fohy monja dia nigadona tao amin’izany tanàna izany. Efa io zava-doza mahatsiravina io anefa no hitan’ny mason’ireto farany, izany hoe efa voaviravira sy nanamparan’ity tovolahy 17 taona ny filàn-dratsiny ity ankizivavy 16 taona ity. Nambaran’ny fampitam-baovaon’ny pôlisy hatrany fa nentina avy hatrany nihazo ny toeram-pitsaboana ity ankizivavy ity mba hotilian’ireo mpitsabo. Fantatra tamin’izany fa efa simba tanteraka ny taovam-pananahan’ity farany, raha ny nambaran’ireo mpitsabo. Tsy lasa lavitra moa fa teo an-toerana ihany ilay tovolahy nahavanon-doza ka nentina nihazo ny birao avy hatrany mba atao famotorana, alohan’ny hanolorana azy eny amin’ny Fitsaràna, hoy hatrany ny vaovao.
m.L