- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversFanolanana : Vehivavy efa manambady nanaovan-drainy herisetra ara-nofo

Fanolanana : Vehivavy efa manambady nanaovan-drainy herisetra ara-nofo

Zava-doza ary efa tena tsy fampiseho masoandro ity nitranga tany amin’ny faritra Vakinankaratra ity. Raim-pianakaviana iray no notorian’ny zanany vavy teo anivon’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona (PMPM) ao Antsirabe fa nanolana azy. Araka ny loharanom-baovao dia efa manambady ity vehivavy ity nefa dia mbola sahin’ity rangahy ity ny nanao azy izany fomba ratsy izany raha sendra nivahiny tao aminy ity zanany ity. Nambaran’ity mpitory moa fa efa tany amin’ny taona 2003 tany no nanaovan-drainy azy izany raha mbola kely izy tamin’izany. Voatery nangina hono izy tamin’izany fotoana izay fa natahotra. Tsara anefa no manamarika fa tena heloka bevava izao nataon-drainy izao satria ankoatry ny fanaovana herisetra amin’ny zaza tsy ampy taona, dia mbola sazian’ny lalàna ihany koa ilay fifoterana amin’ny fianakaviana.

Ny polisy miaro ny zaza tsy ampy taona (PMPM) Antsirabe no nisahana ny fanadihadiana. Ano moa no natolotra ny fitsarana ny raharaha ka andrasana izay ho vokany.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici