- Publicité -
mercredi, juillet 16, 2025
AccueilFaits-DiversFanolanana zana-bady : Voasazy asa an-terivozona folo taona

Fanolanana zana-bady : Voasazy asa an-terivozona folo taona

Notsaraina teo anivon’ny fitsarana ambony misahana ny ady heloka bevava ny raharaha mahakasika ny fanaovana firaisana ara-nofo tamin’ny ankizivavy zana-badiny, izay vao 15 taona, izay nitranga tao amin’ny kaominina Mahatsara, distrika Brickaville, ny 11 novambra 2020. Nifanohitra tamin’ny fanambarana nataon’i Tancia Sereny, ilay ankizivavy voaolana, 15 taona, ny nambaran’Ingahy Patrick Sylvain, izay vadin-dRtoa Bozy Martine, renin’ilay voaolana. Efa bevohoka ilay zaza vao taitra ny rehetra teo anivon’ny fianakaviany, ka teo vao vaky bantsilana ny raharaha rehetra. Nambaran’ny voampanga fa tsy nanao fanolana ity zazavavy tsy ampy taona ity izy, fa nifanarahan’izy roa ny zavatra nataony. Tsy nandà izany koa ilay zazavavy, saingy nambarany fa efa nanomboka tamin’ny faha-13 taonany dia efa noteren’ny raikeliny, izay vadin-dreniny, ny fanaovana firaisana ara-nofo taminy, ka tany anaty ala foana no nanaovan’izy ireo izany. Tsy nanatrika an’izao fotoam-pitsarana izao ilay ramatoa renin’ilay zazavavy, saingy nanao taratasy laharana 426toa/21-2948-RP/20 nilaza ny heviny, novakiana ampahibemaso. Nilaza izany fa nahafantatra tsara ny fiarahan’ilay zanany sy ny vadiny ny tenany, saingy noho ny tahotra ny vadiny dia tsy sahy niteny. Tamin’izao anefa vaky bantsilana ihany ny nafenina, satria bevohoka ilay ankizivavy 15 Taona. Taorian’ny ady hevitra nifanaovan’ireo voampanga, ny mpitory, ny fampanoavana ary ny mpitsara, dia namoaka ny fanapahan-keviny ny mpitsara sy ny mpitsara mpanampy efatra, fa voaheloka asa an-terivozona an-tranomazina folo taona Ingahy Patrick Sylvain izay vao 23 taona monja.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici