- Publicité SW45 -
samedi, mars 15, 2025
AccueilFaits-DiversFanolanana zanaka polisy : Didy fampisamborana ny namany, tsy nontanterahan’ny zanadry

Fanolanana zanaka polisy : Didy fampisamborana ny namany, tsy nontanterahan’ny zanadry

Tsy vita ny 05 febroary teo, raha niakatra fitsarana ny raharaha fanolanana zanaka polisy tao Androranga, nataon’ity zandary mpanofa ny tranony tao ihany, ny taona nivalona iny. Ny antony araka ny fanazavana marim-pototra azo, dia ny tsy fahatongavan’ilay zandary mpanolana teo anoloan’ny fitsarana, ny mpisolovavany izay hany nisolotena azy ihany koa avo vava nandritra ity fitsarana ity.

Didy fampisamborana. Efa nivoaka ny 29 janoary lasa teo anefa ny didy fampisamborana navoakan’ny lehiben’ny fampanoavan’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina; izay mitondra ny laharana 221-RP/16/SE/NY efa voarain’ny zandary misahana ny fikarohana sy ny heloka be vava ny 03 febroary 2016 tamin’ny 10ora sy 32mn araka ny sonia nataon’ny nandray ny antontan-taratasy tamin’izay. Ny 05 febroary teo anefa ny fitsarana ny raharaha no natao. Tsy notanterahan’ny namany ny fisamborana ity zandary mpanolana zaza tsy ampy taona ity mba niatrehany ny fitsarana mahakasika azy, araka ny fanamelohan’ny fitsarana azy, fa “nanao fanodinkodinana zaza tsy ampy taona tsy nisy fampiasan-kery, araka ny andininy faha-356 andalana voalohany, ny didy famaizana Malagasy”.

Nafindra toerana? Araka ny vaovao marim-pototra teo anivon’ireo zandary mahalala ny raharaha fanolanana zanaka polisy ity ihany, dia nandraisan’ny lehibeny famindran-toerana hialana amin’ny mety ho voka-dratsin’ny fiakarany fitsarana ity zandary mpanolana zaza tsy ampy taona ity ankehitriny. Koa io famindran-toerana io no entin’ireto zandary tsy nanatanteraka ny didy fampisamboran’ny fitsarana ity namany, satria nambara fa lavitra be ny famindran-toerana azony ; izay tsy voalaza hoe aiza eto Madagasikara na Toamasina izany. Tsy hilefitra amin’ny nanjo an-janany anefa ity polisy manan-janaka simba tanteraka tamin’ny fanolanana azy in-3 be izao, ka milaza ny hampiakatra ny raharaha eo anivon’ny lehiben’ny zandary sy ny polisy, hentina hamahana ny olana sy ny zava-misy.

Ankoatra izay, dia tsy faly tamin’izao tsy fanatanterahana ny didy fampisamborana navoakan’ny fitsarana izao, ny teo anivon’ny fampanoavana sy ny mpitsara mpanao famotorana ary mpamoaka didy; ka lasa nampitandrina mihitsy ireo mpitandro ny filaminana amin’izao fandikan-dalàna mateti-pitranga izao.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici