- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 29, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFanolanana : Zaza 13 taona bevohokan’ny lehilahy 30 taona

Fanolanana : Zaza 13 taona bevohokan’ny lehilahy 30 taona

Nidoboka am-ponja vonjimaika ny alarobia teo ny lehilahy 30 taona mipetraka ao Andapanangoy, fokontany Vohilava, Nosy Boraha, rehefa niakatra fampanoavana tao Fenoarivo Atsinanana, noho ny fanolanana zazavavy vao 13 taona monja. Taorian’ny famotorana natao taminy, niaiky ny heloka vitany ity farany, ka tamin’izany no nilazany fa efa niaraka taminy ilay zazavavy nanomboka ny volana oktobra 2020. Ary fantatra fa mitondra vohoka dimy volana ilay zazavavy amin’izao fotoana izao. Tsy nitsitsy ny fitsarana fa nandefa ilay lehilahy tompon’antoka any am-ponja avy hatrany. Ilay zazavavy kosa mbola anaovana fanaraha-maso sy fanadihadiana eo anivon’ny ray aman-dreniny. Anisan’ny mirongatra be ny tranga fanolanana any amin’ny faritra noho ny antony maro. Anisan’izany ny fahantrana ka hararaotin’ny lehilahy ireo ankizivavikely. Eo ihany koa ny ray aman-dreny sasany mandrisika mihitsy ny zanany vavy, indrindra fa ireo zaza maroroka. Misy koa anefa ny fanolanana zaza mbola voatavo tsy mifandraka ataon’ny olona akaiky azy ihany, toy ny ray kely sns. Ity tranga farany izay vokatry ny fandraisana zava-mahadomelina. Eo ihany koa ny tsy fandraisana andraikitra ataon’ny reny sasany. Efa nazava ny fepetra noraisain’ny fanjakana fa any am-ponja avy hatrany, ary tsy misy raharaham-pihavanana ho an’ireo izay tratra amin’ny fanolanana sy ny fanodinkondinana zaza tsy ampy taona, ary fanararaotana ara-nofo.

Yv Sam

- Publicité Google Ads -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici