- Publicité -
mardi, juin 24, 2025
AccueilFaits-DiversFanolanana zaza tsy ampy taona : Nalefa eny Antanimora ilay pasitera

Fanolanana zaza tsy ampy taona : Nalefa eny Antanimora ilay pasitera

Tany amin’ny faritr’i Sambava no niseho ity zavatra mahatsiravina sady mampalahelo ity. Pasitera iray ao amin’ny fiangonana zandriny no fantatra fa nanolana zazavavy kely iray vao enin-taona monja. Nilalao teo an-tokotanin’ny fiangonana  ilay ankizy no natsoin’ilay pasitera tao mba hiaraka aminy, saingy tsy nanaiky ka avy hatrany dia nalainy an-keriny ary nentiny tao ambadiky ny alitaram-piangonana, hoy ny vaovao voaray teo anivoan’ny mpitandro filaminana. Rehefa izany, novetavetainy nampiharany ny filan-dratsiny tao, ary norarany tsy hiteny na amin’iza na amin’iza ny zavatra nataony. Ny tolakandron’ny faha-12 aogositra 2014 no nisehoan’izany. Taty aoriana dia nitaraina narary ilay zaza ka rehefa notambatambazan’ny havany dia nitantara ny nanjo. Tsy teo an-toerana itnsony ilay pasitera tamin’izay fotoana izay fa efa nitsoaka taty Antananarivo. Nataon’ny polisy ny fikarohana teto an-drenivohitra ka ny faha-20 aogositra 2014 tamin’ny 6 ora hariva no voasambotra teny Ambohidratrimo ity pasitera ity. Taorian’ny famotorana natao taminy dia natolotra ny fitsarany izy ary naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser