- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversFanolanana : Zazavavy kely hita faty nifatotra tongotra aman-tanana

Fanolanana : Zazavavy kely hita faty nifatotra tongotra aman-tanana

Tamin’ny fomba feno habibiana tanteraka ny namonoana ity zazavavikely, rehefa avy nanamparan’ireo tsy mataho-tody ny filan-dratsiny, tao amin’ny fokontany Manolotrony, distrikan’Ambositra, ny faran’ny herinandro lasa teo.

Nampivarahontsana tanteraka ny tranga niseho tao an-tampon-tanan’Ambositra tao ny marain’ny sabotsy lasa teo. Zazavavy kely vao fito taona monja no hita faty, nisy nanipy tao amin’ny rano Amoron’Isaha. Nifatotra tanteraka ny tongotra aman-tanan’ity ankizivavy kely ity, ary niboridana tanteraka ny vatany, tsy nisy na dia tako-kenatra iray monja aza teny aminy. Araka ny nambaran’ireo mpitsabo tonga nitsirika ny razana teny an-toerana dia niharan’ny herisetra ara-nofo ity zaza ity, ary novonoin’ireo tsy mataho-tody nony avy eo, tamin’ny fanenkendana azy ary dia izao natsipy tanaty rano izao. Mbola hita teny amin’ny tendany ny fatotra natao taminy. Raha ny vaovao azo hatrany dia olona sendra nandalo teny an-toerana no nahita ny vatana mangatsiakany natsingevan’ny rano. Nampandrenesina avy hatrany ireo tompon’andraikitry ny filaminana ary tonga avy hatrany teny amin’ny toerana nisian’ny tranga ary nosarihana teny an-tanety ny razana. Akory tokoa ny hatairan’ireo mponina fa ankizy fantatry ny rehetra tsara ity tsy manan-tsiny hita faty ity. Nambaran’ny vaovao fa zanak’olona monina eny Ankakafotra izy io. Efa nampandrenesina teo ihany koa moa ny fianakaviany. Taorian’ny fitiliana isan-karazany nataon’ireo tompon’andraikitra moa dia efa natolotra ny ray aman-dreniny ny razana.

Vetivety tokoa dia niely tao an-tampon-tanana ny vaovao, ary tonga hatrany am-poto-tsofin’ireo manam-pahefana rehetra teo an-tanana. Ireto farany izay nidina avy hatrany teny amin’ny toerana nitrangan’izao tranga mampihoro-koditra izao ary nitondra ny fanampiana sy ny teny fampaherezana ho an’ireo fianakaviana. Efa eny am-pelatanan’ny mpitandro filaminana moa ny raharaha amin’izao fotoana izao, hikarohana ireo na izay nahavanon-doza nahavita izao heloka bevava izao.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici