Raha noheverina fa ny eny ambanivolo eto Toamasina no tena manana olana amin’ny tsy fananana kopiam-pahaterahana ho an’ny zaza sy ny ankizy, dia tena olana goavana eto Toamasina renivohitra izany ankehitriny. Ny olana dia ny zava-misy eo anivon’ny sora-piankohonan’ny kaominina manary ny antontan-taratasin’ny olona, sy ny kolikoly misy amin’ny mpiasa mpanao izany, ary ny fe-potoana omen’ny fanjakana ny ray aman-dreny amin’ny fanoratana ny zanany teraka izay efa nohalavaina 30 andro tamin’ny lalana farany teo nefa mbola tsy mihatra izany hatreto noho ny tsy fisian’ny didy fampiharana azy, na efa neken’ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana aza. Ny sabotsy teo, tao amin’ny EPP Todivelona Raphael Ankirihiry, taorian’ny fitsarana mitety vohitra natao, dia didim-pitsarana miisa 1.200 hakana ny kopiam-pahaterahana no nozarain’ny tarika Nantenaina sy ny ekipany, izay fikambanana miasa mafy amin’ny fanomezana ity kopiam-pahaterahana ho an’ny zaza sy ny ankizy ary ny olona tsy manana izany eto Toamasina. Raha ny taona nivalona 2018 iny dia efa nahatratra 3.000 ny didim-pitsarana nozarain’izy ireo nahafahan’ny ray aman-dreny nanamboatra ny kopian-janany, ka ny 500 tamin’izany dia tanora efa feno taona. Afaka nanamboatra karapanondrom-pirenena izy ireo taorian’izany. Izay no mahatonga ny tarika Nantenaina sy ny ekipany manao antso avo ho an’ny fanjakana sy ny mpiara-miombona antoka amin’ny fanjakana ary ireo malala-tanana rehetra mba hifanampy, satria tena olana be, tsy ambanivolo ihany fa hatraty an-tanan-dehibe, ity resaka kopiam-pahaterahana ity noho ny andraikitry ny ray aman-dreny tsy vitany, nefa mazava fa noho ny tsy fandraisan’ny raim-pianakaviana ny adidiny. Efa miomana ny hanao fitsarana mitety vohitra koa ny tarika Nantenaina sy ny ekipany ato ho ato, satria efa misy fangatahana an’arivony koa voarain’izy ireo izao.
Malala Didier