Manoloana ny fitomboan’ny fanararaotana ny tambajotran-tserasera, indrindra ny Facebook, amin’ny fanaovana fanompàna sy fanevatevana mikendry ireo mpitondra ambony eto amin’ny firenena, dia nanambara ny fanjakana fa hanomboka hanenjana sy hampihatra hentitra ny lalàna manan-kery.
Araka ny fanazavana nentin’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika, avy amin’ny alàlan’ny talen’ny seraseran’ny fiadidiana ny Repoblika, ekena sy arovana tanteraka ny fahalalahana miteny sy maneho hevitra. Tsiahivina anefa fa voaaro ao anatin’ny Lalàmpanorenana ny fahalalahana miteny sy maneho hevitra, saingy voafetra izany fahalalahana izany rehefa mihoa-pefy, ka manitsakitsaka ny zon’ny hafa na manimba ny filaminam-bahoaka sy ny hasin’ny fanjakana. Misy, araka izany, ireo olona sy kaonty sasantsasany, na eto an-toerana na any ivelany, mihoa-pefy amin’ny fanehoan-kevitra ataony amin’ny tambajotran-tserasera, ka manompa mivantana, manitsakitsaka ny hasin’ny maha-olombelona ary mandranitra fankahalana mikendry ireo tompon’andraikitra ambony. Tsiahivina ihany koa fa araka ny lalana faha-2014-006 momba ny ady amin’ny heloka an’habaka, indrindra fa ny andininy faha-20 sy ireo manaraka azy, dia heloka voasazin’ny lalàna ny fanompàna sy ny fanevatevana atao amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera. Nohamafisin’ny lalana faha-2016-031 izay manitsy izany fa rehefa mpitondra ambony na andrimpanjakana no lasibatra, dia raisina ho fanitsakitsahana ny hasin’ny andrimpanjakana izany, ka mety hitarika fanenjehana ara-pitsarana. Manoloana izany, nambaran’ny tompon’andraikitra fa efa an-dalana ny fanenjehana ara-pitsarana ireo olona, pejy na kaonty izay voaporofo fa nihoa-pefy tamin’ny fanehoan-kevitra nataony. Tanjona amin’izany ny hampitsaharana ireo fomba fanehoan-kevitra mamohehatra sy hamerenana ny fanajàna ny lalàna ary ny hasin’ny andrimpanjakana. Nohamafisin’ny fanjakana ihany koa fa tsy mikendry ny hanakana ny fitsikerana mitombina izao fepetra raisina izao, fa kosa ny hiantohana fa ny fahalalahana miteny dia ho fampandrosoana sy ho tombontsoan’ny besinimaro, fa tsy ho fitaovana hanaratsiana na hanakorontanana ny filaminam-pirenena.
D.R



