- Publicité -
lundi, novembre 3, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFanondrahana asidra : « Tsy misy hidirako izany », hoy i Liu...

Fanondrahana asidra : « Tsy misy hidirako izany », hoy i Liu Zhuo

Ilay sinoa niaraka tamin’ny mpisolovavany .
Ilay sinoa niaraka tamin’ny mpisolovavany .

Nivoaka tamin’ny fahanginany koa ilay sinoa antsoina hoe Liu Zhuo ary nihaona tamin’ny mpanao gazety omaly tetsy amin’ny Bing-Bang etsy Behoririka. Io farany izay efa notazomina am-ponja nandritry ny fito volana ary notsaraina tao amin’ny fitsarana ady heloka bevava talohan’ny nahazoany fahafahana noho ny fisalasalana, ny 21 jolay lasa teo. Tsy misy hidirako ary tsy tomponandraikitra velively amin’ny nanondrahana asidra ny tarehin-dRamatoa Arlette Ranaivoarivony aho, raha araka ny fanazavany. Notohizany avy amin’ny alàlan’ny mpisolovavany, Me Rasamison Niaina, fa manahy ny amin’ny ainy izy taorian’ireny famoizana tamin’ny haino aman-jery ary koa ny tambajotra sosialy ireny fa izy no tomponantoka tamin’ny fifofoana ny ain’ilay ramatoa voalaza etsy ambony. Raha ny marina aza, hoy ilay mpisolovava, dia io ramatoa io no ananan’ny sinoa arovako vola izay mitentina 4,5 miliara Fmg. « Tsy haka izany vola izany intsony aho ary koa manentana ny mpivarotra izay tao amin’ny Tia Shop mba haka ny entany rahampitso (anio) etsy amin’ny dépôt etsy Ankazomanga » hoy i Liu Zhuo. Amin’io farany dia disadisam-pianakaviana no nitarika iny fifofoana ain’olona iny ary ezahina ampifandraisana amin’izany ny raharaha Tia Shop izay tsy misy nidirany mihitsy. Ny tena mampalahelo dia ny filazàna etsy sy eroa fa misetrasetra i Liu Zho ary izany dia nitarika fandrahonana tsy an-kijanona azy ho faty, hoy ny mpisolovavany nanazava. Io farany indray dia manainga ny tomponandraikim-panjakana ny mba hijery akaiky ny raharaha ary hiditra an-tsehatra mihitsy raha ilaina izany. Aminy mantsy dia famotehana ny mpandraharaha vahiny ny tranga toa izao ary mety ho lasa ataon’ny olon-dratsy fanao raha toa ka tsy misy fandraisana fepetra mifandraika amin’izany. Ankoatry ny ady izay mitohy eny amin’ny Fitsarana izany dia lasa ady voizina amin’ny haino aman-jery koa ity raharaha ity. Nilaza ny tsy hitory ilay sinoa ary ny ankilany kosa, hampiakatra fitsarana ambony. Tantara mitohy araka izany…   

D.R

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici