- Publicité -
lundi, juin 16, 2025
AccueilFaits-DiversFanondranana « fossiles ammonites » : Mandeha ny fisamborana

Fanondranana « fossiles ammonites » : Mandeha ny fisamborana

Naharay voavao ny polisy tany Sakaraha, fa misy olona mitandraka sy manondrana ireny antsoina hoe « fossiles ammonites » ireny, tany amin’iny faritra iny. Tamin’ny fisavana natao no nahatratraran’izy ireo fiara Mazda iray nisy gony  fito nisy an’io vato io. Nandeha ny fanadihadiana tany an-toerana. Nampakarina taty An-drenivohitra ny raharaha avy teo. Olona telo no voarohirohy tamin’izany. Ny avy ao amin’ny « brigade criminelle » no nandray an-tànana ny raharaha. Vato 114, milanja 60 kg tsirairay tsy misy taratasy, miampy 380 kg heverina fa ara-dàlana 1131 no hita. Amin’izao fotoana izao, nisy olona iray tazonina any amin’ny mpitandro filaminana. Ny avy ao amin’ny « police des mines » no miandraikitra ny fandehan-javatra amin’izao fotoana izao. Ho hentitra ny izy ireo amin’izay fantatra fa fandikan-dàlana amin’izany.

Nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser