- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversFanondranana olona an-tsokosoko : Voasambotra i Neny, lehiben’ny tambajotra

Fanondranana olona an-tsokosoko : Voasambotra i Neny, lehiben’ny tambajotra

Ramatoa iray fantatra amin’ny anaram-petaka hoe Neny, lehiben’ireo mpanondrana olona an-tsokosoko mankany amin’ny tany arabo no voasambotry ny pôlisy ny alarobia lasa teo, teny amin’iny faritra Ambohipo iny. Ny olona efatra hafa ihany koa nosamborina niaraka taminy, izay lehilahy mpamily sy mpitily ireo hazany ny iray ary vehivavy telo saika haondrana kosa ny telo ambiny. Marihana hoy  ny fampitam-baovao avy amin’ny polisim-pirenena fa fantan-daza sy ela nokarohina tamin’ity tambajotrana mpanondrana olona an-tsokosoko ity io vehivavy io. Tamin’ny fanadihadiana natao taminy dia niaiky tokoa ramatoa fa tena mpanondrana vehivavy any Koweit. Vola manodidina ny enina hetsy sy iray tapitrisa ariary eo ho eo isan’olona no alainy amin’ireo tovovavy ireo, ary atobiny amina toerana eny amin’iny faritra Ambohidratrimo iny aloha mandram-piandry ny fotoana handehanan’izy ireo. Ny tambajotra izay tarihin’ity Neny ity ihany no mikarakara ireo antonta-taratasy mahakasika izany, izay marihana moa fa saika hosoka ny ankamaroany. Raha ny fanazavàna azo hatrany dia tamin’ny alalana tovovavy telo nampiahiahy, izay teo am-panaovana fitiliana ara-pahasalamana tetsy Analakely no nahafahana nanao velam-pandrika sy nahasamborana an’ilay lehiben’ny tambajotra. Rehefa notofotorana mantsy ireto telo vavy ireto dia fantatra tokoa fa nikasa ny handeha any Koweit, ary nanoro an’ilay ramatoa ho mpikarakara ny taratasiny. Fa ankoatr’izay dia fantatra fa efa nahazoan’ireo pôlisy Delegation judiciaire efa indroa miantoana ity Neny ity ary ilay mpamiliny kosa dia efa nigadra noho ity resaka fanondranana olona an-tsokosoko  ity hatrany. Omaly moa izy ireo no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici