- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversFanondranana olona any ivelany : Lehihahy 3 sy vehivavy 11 no...

Fanondranana olona any ivelany : Lehihahy 3 sy vehivavy 11 no voasambotry ny Polisy

Ity ny trano fametrahana ireo vehivavy alohan’ny hanondranana azy
Ity ny trano fametrahana ireo vehivavy alohan’ny hanondranana azy.

Ravan’ny polisy avy ao amin’ny « enquête spéciale » ny tambazotra mpanondrano olona any ivelany. Lehilahy  3 sy vehivavy 11 no niara-voasambotra tamin’izany. Ny 24 martsa lasa teo no nanomboka ny fisamborana. Io andro io, nisy vehivavy efatra tonga teny Anosy hanao pasipaoro. Rehefa nojerena anefa ny antontan-taratasy nentin’izy ireo, dia nampiahiahy ny polisy. Nofotorana izy ireo ka ny telo ihany no hanamboatra pasipaoro, fa ny iray mpanaraka fotsiny. Nilaza ireto vehivavy ireto fa nampanantenaina asa any Koweit. Efa nakana vola 1 tapitrisa ariary avy. Natorony avy eo ny trano fanafenana azy eto an-drenivohitra alohan’ny handehanany any ivelany. Naleha tany amin’ilay trano dia nisy vehivavy fito hitan’ny polisy tao. Rehefa izany dia lehilahy iray no nosamborina teny amin’ny 67 Ha. Izy io no mpanafatra ireo vehivy avy any Andapa ary mampiantrano azy ireo aty an-drenivohitra. Io andro io ihany koa no nalaina teny Analakely ny lehilahy iray. Voalaza fa mpamily no asan’ity farany ity. Nahitana vola 2 750 000 ariary sy 600 dolara tany aminy. Ny vaovao no nahafantarana, fa izy no manangona ny vola avy amin’ireo vehivavy sy izay halefan’ireo  any Koweit. Mbola ity farany ity ihany koa no manatitra ireo vehivavy eny Ivato rehefa hiondrana izy ireo. Nolazainy fa ramatoa iray no mpaniraka azy. Mbola karohin’ny polisy izy io amin’izao fotoana izao. Ny lehilahy fahatelo tratra dia nalaina teny Ampefiloha. Fantatra fa izy no zanak’ilay atidoha mpikotrika ity fandefasana olona any Koweit ity.

nangonin’i r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici