- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFanondranana olona any Kweit : Vehivavy 8 sarona teny Antsahameva, niaraka tamin’ny...

Fanondranana olona any Kweit : Vehivavy 8 sarona teny Antsahameva, niaraka tamin’ny lehilahy iray atidoha nikotrika

Saron’ny polisy avy amin’ny polisy teny Antsahameva-Ankatso, ny 14 Aprily teo ny lehilahy iray atao hoe Moustapha, voalaza fa mikasa hanondrana vehivavy hiasa any Koweit. Ity firenena ity izay  isan’ireo firenena arabo voararan’ny Fanjakana Malagasy ny fandefasana olona hiasa any, indrindra ireo vehivavy. Voasambotra niaraka tamin’ity lehilahy ity ihany koa ireo vehivavy 8 izay saika haondrana ka avy any amin’ny Faritany avokoa izy ireo.

Araka ny fanazavana, fanomezam-baovao avy tamin’ny tsara sitrapo voarain’ny sampamana misahana ny fanadihadiana manokana sy ny ady amin’ny hosoka amin’ny antontan-taratasy (SCELFD) milaza ny fisian’ity tambazotra ity no nahazoana izao vokatra izao. Araka ny fanadihadiana natao tamin’ireto olona ireto no nahalalana fa ity lehilahy ity no hikarakara ny “passeport”, ny certificate de moralité sy ny antontan-taratasy rehetra hahazoan’ireto olona ireto hivoaka an’i Madagasikara. Izy ihany koa no hiantoka ny saran-dalan’ireo vehivavy ireo, izay marihina fa vao eo amin’ny 25 taona ny zokiny indrindra.

Hosandan’izany kosa anefa, tsy mandray karama mandritra ny 5 volana ireo vehivavy ireo rehefa tonga any Kweit fa tsy maintsy alefa amin’ity lehilahy ity izany. Manarak’izay, tsy maintsy manao fifanarahana antoka trano na tany amin’i Moustapha izy ireo mba hiantohana fa tsy maintsy handefa io karama.

Fantatra ihany koa fa efa manana Agence miara-miasa aminy any ivelany ity lazaina fa mpanondrana olona ity. Izany Agence de placement izany no manome azy 2 tapitrisa ariary isaky ny vehivavy iray voaondrana no raisina amin’io Agence io. Toa manaporofo izany ny nahitana vola 17,8 tapitrisa ariary sy taratasy fanamarinana fandraisam-bola tamin’ny Western Union tao aminy rehefa nosavaina ny tranony. Tratra tao ihany koa ny antontan-taratasy maro (certificat de residence sy certificate de scolarité mbola tsy feno (vierge) ary fitombokasem-panjakana maro.

Toy ireo lehilahy roa mpiasana minisitera no atidoha tratra saika hanondrana vehivavy roa ho any Kweit, ny 11 Aprily lasa teo , mampiasa Facebook ihany koa i Moustapha mba hitadiavany ny olona hokarakarainy.

Efa Natolotra ny Fitsarana ny Asabotsy lasa teo ireto olona valo ireto.

T.M.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici