- Publicité -
vendredi, juin 6, 2025
AccueilFaits-DiversFanondranana olona : Hangalana telo tapitrisa Ar no sady haondrana 

Fanondranana olona : Hangalana telo tapitrisa Ar no sady haondrana 

Roa andro teny ambony sambo kely niala tao Nosy-be ireo Malagasy miisa 20 nahitana zaza tsy ampy taona miisa fito izay vao tonga tany Mayotte. Niondrana an-tsokosoko izy ireo ary tratran’ny polisy tany an-toerana ka naverina teto Madagasikara. Nanao ny fanadihadiana mahakasika ity fiondranana ity ny polisy teto amintsika ka olona miisa telo no voasambotra. Tao anatin’ ny famotorana no nahalalana fa misera amin’ireo tompon’ny sambo any avaratra, ao Ambanja sy Nosy be ireto olona voasambotra ireto hitondra olona any Mayotte. Manakarama 1.000.000 ar ka hatramin’ny 2.000.000 ar ireo mpanamory ny sambokely hihazo an’i Mayotte izy ireo raha 2.000.000 ar hatramin’ny 3.000.000 ar kosa no alaina ireo amin’izay olona te handeha. Ankoatra izay dia fantatra ihany koa fa efa manana tambajotra mihitsy izy ireto hatrany amin’ny fitaterana sy ny fandraisana ireo olona tonga any Mayotte. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny polisim-pirenena momba ity raharaha ity. Efa midina ifotony koa ny mpitandro filaminana amin’ny fikarohana ireo mpiray tsikombakomba amin’ity resaka fanondranana olona ity.

Yv Sam

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici