Nivoaka omaly, ny didim-pitsarana mahakasika ilay resaka fanondranana sokatra an-tsokosoko, ny faran’ny taona lasa iny. Zandary iray miaraka amina « Consultant international» moa no voarohirohy tamin’izany. Sazy mihatra 10 volana an-tranomaizina miampy lamandy 10 tapitrisa isan’olona no tsy maintsy efain’izy ireo taorinan’izay. Amin’ny 21 febroary kosa no andrasana ny valim-pitsarana an’ilay teratany Renioney voasaringotra tamina raharaha hafa mahakasika hatrany nyfanondranana sokatra. Ity farany izay nahatrarana sokatra mampalaza ny faritra Ambanja manokana. Nanao fanambarana avy hatrany moa teto ny mpahay lalàna miasa ao anatin’ilay tetik’asa ALARM. Tsy mahafa-po ny voka-pitsarana hoy ny voalaza, maivana loatra ny sazy nampiharina an’ireto fanetriben’ny firenena ireto. Raha araka ny voalazan’ny lalàna mantsy, dia sazy enim-bolana farafahakeliny ka hatramin’ny roa taona no tokony hiandry azy ireo. Raha tsiahivina dia sokatra sivy antsoina hoe « Radiata » no tra-tehaka tany amin’ireto olona roa ireto.
Kanto R. (Stagiaire)