Lehilahy iray fantatra amin’ny anarana hoe Baritsialonina Andrifanantenana Alisoa, no karohina fatratra amin’izao fotoana izao, araka ny taratasy fampikarohana azy navoakan’ny pôlisy misahana ny heloka bevava etsy Anosy, omaly. Voalazan’ny taratasy fa anisan’ireo olona fanetriben’ny firenena amin’ny alalan’ny fanondranana an-tsokosoko volamena any ivelany ity rangahy 42 taona ity. Araka ny fanazavàna avy amin’ny pôlisim-pirenena dia tsy ity olona karohina ity irery ihany no voatondro ho mpanao io resaka fanondranana io fa efa tambajotra matanjaka izy ireo. « Ny 2 janoary 2018 lasa teo dia nanokatara fanadihadiana ny Polisy misahana ny ady heloka bevava Anosy mikasika ny fanondranana volamena an-tsokosoko any ivelan’ny Nosy izay miainga eo amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Olona maromaro no efa niatrika famotorana tamin’izany. Nisy ny olona tsotra, nisy ihany koa ireo mpiasa eny anivon’ity seranam-piaramanidina iraisam-pirenena ity izay tafiditra amin’io tambajotra io », hoy ny vaovao. Fantatra fa efa nisy maromaro tamin’ireo olona ireo no efa nampidirina am-ponja ary mbola misy kosa ny karohina, ka anisan’izany ity Alisoa ity. Araka ny tatitra hatrany dia izy io no « anisan’ny tompon’antoka tamin’ity fikasana hanondrana volamena milanja 10 kilao ity ny 29 novambra 2017 lasa teo ». Araka izany, iangaviana izay mahita na mahafantatra vaovao mahakasika ity lehilahy ity mba hampilaza avy hatrany ny tompon’andraikitry ny filaminana akaiky azy ireo. Raha ny adiresy fantatra farany mahakasika azy mantsy, hoy hatrany ny avy eo amin’ny pôlisim-pirenena, dia nonina teny amin’iny faritra Ambohitrarahaba, Ankadikely Ilafy iny ity olona ity. « Mampahatsiahy ny Polisim-pirenena fa helohin’ny lalàna ny fampiantranoana na koa fanafenana ny olona efa namoahana fampilazana fikarohana tahaka izao ary manentana sahady amin’ny fiaraha-miasa amin’ny vahoaka », hoy hatrany izy ireo
m.L