- Publicité -
samedi, décembre 20, 2025
AccueilFaits-Divers« Fanorana » : Polisy efa misotro ronono, mitam-basy nosamborin’ny zandary

« Fanorana » : Polisy efa misotro ronono, mitam-basy nosamborin’ny zandary

Nisy nampandre ny zandary fa misy pôlisy mandrahona amin’ny basy olon-tsotra. Tsikaritry ny fokonolona rahateo izany hany ka vetivety dia niely ny feo. Niala teo an-toerana faran’izay haingana ilay mpitandro ny filaminana ary nitsoaka tamin’ny taxi-brousse. Tao anatin’izay dia efa nanao barazy ny zandary ka rehefa najanona ilay fiara dia tao tokoa ilay pôlisy. Tany Ambato-Boeny, tao amin’ny fokontany antsoina hoe Ambohidahy no nitrangan’izany ny alakamisy tolakandro teo. Nampidinina ilay pôlisy izay nilaza fa namita iraka sy amperinasa. Tsy nanaiky mora foana izy fa navoakany ny basy ary nandrahona ireo zandary ny tenany, raha araka ny tatitry ny zandary. Soa fa  nalaky voafehy satria be noho ny vitsy. Rehefa nosavaina izy dia nahitàna “ordre de mission” nosoniavin’ny komisera teny aminy. Tsy voafaritra tao kosa anefa ny momba ny basy izay misy bala efatra teny aminy. Notazomina ary nentina teny amin’ny biraon’ny zandary natao fanadihadiana avy hatrany. Teo no namborahany fa andro vitsivitsy talohan’io dia nisy olona sarony nitondra rongony ary nifampiraharahany mba hanome vola azy, raha tsy izany dia hosamboriny sy hogadrainy. Nifanarahana ny vola mitentina 1,6 tapitrisa ariary ka iray hetsy aloha no teny amin’ilay olona, dia nataony « avance ». Ny alakamisy teo, teo am-pangalàna ny ambin’izany, no nivadika ilay olona izay ary nampandre ny fokonolona. Ireo farany indray no nampandre ny zandary nony avy eo. Mbola nandritra ny fanadihadiana ihany no nahafantaran’ny zandary fa tena pôlisy tokoa ilay nosamborina saingy efa misotro ronono. Nogiazana avy hatrany ny fitaovam-piadiana teny aminy ary vesatra maromaro no indray nitontona tamin’ilay mpitandro ny filaminana. Ilay basy dia nohazavainy fa fony izy niasa tao amin’ny kaomisaria foibe teto an-dreniovohitra no nahazoany azy. Tsy naveriny sady tsy nisy nitaky rahateo, rehefa nandeha nisotro ronono izy.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici