- Publicité -
samedi, juin 21, 2025
AccueilFaits-DiversFaradofay : 2100 Ar ny vidin' ny kafe 1 kapoaka,700 Ar ny...

Faradofay : 2100 Ar ny vidin’ ny kafe 1 kapoaka,700 Ar ny kapoakam-bary

Miakatra andro aman’alina ny vidin’ireo entana ilain’ny mponina andavan’andro. Anisan’izany ny kafe.Tao anatin’ny fotoana vitsy, niakatra ho 2100 Ar ny vidin’ny kapoaka iray raha 1800 Ar izany teo aloha. Noho ny fiovan’ny sarandalana, ny vokatra tsy ampy, izany hoe tsy namokatra firy ny mpamboly. Ireo manana tahiry efa ela be no manararaotra mampiakatra ny vidim-bokatra. Niova ho 200 Ar kosa ny tasin-kafé raha 100 Ar izany teo aloha. Mahakasika ny vidim-bary manokana efa mahatratra any amin’ny 550 Ar ny kapoaka amin’ny vary vahiny ary 700 Ar ny vary gasy. Azo antoka ny hiakaran’ny vidim-bary ho 900 Ar io vary gasy ary 600 Ar ny vary vahiny amin’ny faran’ny taona, raha tsy misy ny arofanina apetraky ny sampandrahara misahana ny varotra sy ny fanjifana. Mbola miaina anatin’ny fahasahiranana ny mponina. Ny asa rahateo tsy mbola misy. Voatery manao ny tsy fanao ny olona, mba hitadiavana ny hanin-kohanina.

RFa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser