Nirotsaka tsy an-kiato efa ho dimy andro ny orana tany Faradofay renivohitra sy amin’ireo kaominina manodidina.Tsy mitsahatra fa mbola mitohy hatramin’izao fotoana andefasana ny vaovao izao. Ny alin’ny talata eo no tena tsy nisy fiatoana. Dibo-drano avokoa ireo kartie ambany toerana. Trano maro no rava sy potika. Tsy afa-bela ireo lalana vao avy namboarina. Nihotsaka ny ranontany manamorona ny torapasik’i Faux Cap L.T.P. Vaky nirodana ireo trano fonenana sy ireo trano fivoahana. Niditra an-trano ny rano maloto. Dibo-drano ny kartien’i Bazaribe ka hatrany Bazarikely. Maro ireo nitondra faisana. Mba tsy hitohizan’ny fidiran’ny rano any an-tokantrano dia nosakanana. Toa tsy teo ny asa fanamboaran-dalana sy lakan-drano nandanian’ny tetikasa Ivontoerana ho amin’ny fampandrosoana ny tanàna (P.I.C.). Ao anatin’ny fijaliana tanteraka ny mponina ao an-drenivohitra Anosy. Manao antso avao amin’ny tomponandraikitra hijery akaiky ny hanamboarana indray ireo fotodrafitrasa ao an-toerana.
RFa