Maty tsy tra-drano i Vololona, naratra mafy i Berthin ,avotra kosa ny ain’ilay vazaha. Io no tranga nisy tany Faradofay, ny zoma teo. Ny tendrombohitr’i Pic Saint Louis, malaza amin’ny toeram-pitsangantsanganana. Masiaka amin’ny tsy fandriam-pahalemana. Manaporofo izany ny fanafihana nitranga ity. Vao tonga teny amin ny toerana hitsangantsanganana dia raikitra ny sakoroka. Langilangy no nitsena azy telo mianaka. Avy hatrany dia ny entana teny amin’ilay vazaha no nalain’ireo jiolahy misaron-tava. Niezaka nanohitra an’ireto jiolahy izy saingy tsy afa-nanaotra. Teo am-pandosirana hanavotra ny ainy i Vololona no latsaka tanaty hantsana lalina. Izay nitarika ny fahafatesana ho azy. I Berthin kosa vaky loha vokatry ny tora-bato, ary mbola manaraka fitsaboana ao amin ny hopitaly Philibert Tsiranana(CHRR-Amboanato). Ilay vazaha avotra ihany ny ainy. I Vololona izay namoy ny ainy dia voalaza fa saika hiatrika ny mariaziny ny sabotsy izao. Namela kamboty roa i Vololona, anisan’ny mpihazakazaka lavitra ezaka iraisam-pirenena izy sy i Berthin. Very atleta malaza iray i Faradofay vokatry ny tsy fandriam-pahalemana. Tsy mbola milamina ny tananan’ny oratsimba.
RFa