- Publicité -
dimanche, juin 8, 2025
AccueilFaits-DiversFaradofay : Karàna maty voatifitra tao an-tranony

Faradofay : Karàna maty voatifitra tao an-tranony

Maty notifirin’ireo jiolahy tao amin’ny trano fonenany i Dally. Basy nirefodrefotra no niainan’ny mponina ao Ambinanikely ny alin’ny alakamisy teo. Tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany no nanomboka izany. Teo amin’ny fony no voalaza fa nidiran’ny bala ka nahatonga an’i Dally ho faty. Talohan’izany dia efa nohodidin’ireo olon-dratsy mialoha ilay trano fonenana. Nambanana basy ihany koa ny mpiambina ary noterena hanoro ny làlana mizotra any amin’ny efitranon’ilay karàna. Teo am-pijerena fahitalavitra i Dally no niditra tampoka ireo mpamono azy. Na teo aza ny ezaka hifandraharaha hanome vola ho sandan’ny aina dia tsy neken’ireo jiolahy miisa valo mitazona basy lava izany. Efa vita ny « opération » vao samy tonga ny mpitandro ny filaminana (zandary sy polisy). Vory ihany koa ny fokonolona. Tsy nisy afa-tsy i Dally ihany no tao ambany rihana tamin’ny fotoana nanafihana azy. Ny ankohonany kosa tany an-toeran-kafa, tany ambony rihana. Mandeha ny famotorana ankehitriny ary isan’ny fantatra ankehitriny fa nahatratrara finday sy kitapo ary pistolet tao amin’ny efitra nanafihana an-dRatompokolahy. Amin’ny ankapobeny, tsy mbola milamina any amin’ny distrikan’i Fort dauphin indrindra ao an-tampon-tanàna. Ny tranga toy izao mazàna no mampihemotra ireo mpampiasa vola vahiny sy ireo mpizaha tany.

Onésime

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser