- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversFaradofay : Lehilahy iray maty vokatry ny loza an-dranomasina

Faradofay : Lehilahy iray maty vokatry ny loza an-dranomasina

Teo am-piverenana hamonjy fodiana izy mirahalahy  no narendriky’ny lakana nitondra azy izy ireto.  Voalaza fa  avy namonjy tsena ary nividy entana  saribao sy vokatry ny tany tany Ifarantsa izy ireo ny alarobia teo. Araka ny fitantaran’ny nanatri-maso efa akaiky ny tanàna izy mirahalahy no nitsoka mafy tampoka ny rivotra.  Feno entana saribao mihoatra ny tokony ho izy ny lakana .Nilentika niaraka tamin’ireo entana izy mirahalahy. Ny zandry olona mba naha avotra ny ainy  noho izy efa zatra tsara nilomano,fa ilay zokiny kosa nalentiky ny rano. Ora maromaro taty aorina vata-mangatsiaka no tazan’ny fokon’olona nanamorona ny farihin’Ambinanibe nisehoan’ny loza. Vokatr’izany, very ny entana , fahafatesana no hita. Nentin’ireo havan’ny maty ny tolakandron’ny alarobia io ihany, ny nofo mangatsiakan’ilay rangahy. Tsy mampilaza ny fahafatesana.

Rfa.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici