- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversFaradofay : Mananontanona ny areti-mifindra vokatry ny fivangongoan'ny fako sy ny fihanaky...

Faradofay : Mananontanona ny areti-mifindra vokatry ny fivangongoan’ny fako sy ny fihanaky ny loto

Tsy isalasalana ny mety hisian’ny areti-mifindra sy ny haromotana raha ny zava-misy iainana ao an-drenivohitra Anosy no zohina. Isak’ireo elakelan-trano sy eny amoron-dalana, saika ahitana fako avokoa. Misy amin’ireo fako ireo ao anatin’ny 2 na 3 herinandro tsy mbola voaaisotra. Maimbo ny tanàna, maloto ny rivotra. Ireo mpitaiza kisoa ao an-tampon-tanàna mihamaro. Ireo loto vokatry ny tsy fananana lava-piringa manaraka eny ihany. Mihamahazo vahana ny fitaizana kisoa na lambo ao am-povoan-tanana. Mihanaka vokatr’izany ny parasy lafrika sy ireo fofona maro samihafa. Tsy mijanona amin’ireo voalaza ireo fa mbola loza mitatao ao amin’ity renivohitra  iray ity ny fivezivezen’ireo alika ao an-tampon-tanàna, Fandrindran’asa ao amin’ny fiadidiana ny tanàna, eo ambany fiahian’ny filohan’ny delegasiona manokan’ny kominina, izay efa tsy rototra intsony amin’ny fanohizana ny asany. Mety hanano sarotra  raha tratran’ny larazy na kaikitr’alika tsy ampoizina ny mponina. Tsy maintsy hisy fiantraikany amin’ny fahasalaman’ny mponina izany rehetra izany. Asa very maina no misy raha tsy mbola misy ny arofanina. Tsetsatsetsa tsy aritra ihany no ilazana fa maro amin’ireo Ongs sy fikambanana no mitonona  hanarina ny fiainan’ny mponina. Ilana fanaraha-maso.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici