Ingahy Randrianasolo, ray aman-dreny iray manana ny maha izy azy ao Manantenina, no saika lasa tany amin’ny varo-tsy mifody ny herinandro lasa teo iny. Voalazan’ireo nanatri-maso sy nampita ny vaovao fa anisan’ny maditra ao an-tanana ny zanak’Ingahy Randrianasolo ity. Notadiavin’ny mpitandro ny filaminana iray ikoizana tany an-toerana izy io. Nony tsy hita anefa ilay tovolahy dia Ingahy Randrianasolo, rainy, no nifatraran’ny rihitra. Tapaka ny hevitra fa raha tsy mahalala ny marina mahakasika io zaza io ny dadany dia tsy maintsy amboarina, hoy ilay mpitandro filaminana. Nasain’ity farany nanangona kitay sy ahitra mba handorana velona azy ny namany. Efa vonona avokoa ny fitaovana. Minitra na segondra sisa no nandrasana. Nararaka ny solika namelomana ny afo. Nanelanelana ny fokonolona. Natao ny fandresen-dahatra.Tsy tanteraka ny fandorana. Marihina fa nisy ny fifanarahana teo amin’Ingahy Randrianasolo ity sy ilay mpitandro filaminana saika nandoro olona velona ity. Araka ny fanampim-baovao azo, mbola hiverina any Manantenina hanao ny hataony ilay mpitandro filamina saika handoro olona velona ity. Ilaina ny fanadihadiana mba hahalalana ny tena marina.
RFa