- Publicité -
jeudi, novembre 20, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFaradofay : Tovolahy iray 17taona, novonoina dia natsipy tany anaty ranomasina

Faradofay : Tovolahy iray 17taona, novonoina dia natsipy tany anaty ranomasina

Efa lasa biby saina na, manao saim-biby ny olona amin’izao fotoana izao. Tsy misy dikany ny manala ain’olona.Tovolahy iray sahabo ho 17taona mantsy no nisy namono. Tsy vitan’izay fa mbola nariana na natsipiny tany anaty ranomasina avy teo. Ny alakamisy teo no nanomboka tsy hita ilay tovolahy. Nanao izay fomba ahitana azy ny fianankaviana. Asa very maina no vokany. Akory ny hatairana, fa ny alahady tolakandro natsipin’ny onjan-drano tao amin’ny tora-pasik’Andadoany (Port teo aloha) ny nofo mangatsiakany. Mpandalo no nahita izany. Avy hatrany nandray ny fepetra, niantso ny manampahefana ny fokonolona. Rehefa nojeren’ny mpitandro ny filaminana sy ny dokotera ny vatany, nahitana fery teo amin’ ny tendany sy ny tenany. Io dian’antsy maranitra io no nahafahana milaza fa nisy namono ilay tovolahy. Nandray an-tanana ny fikarakarana ny razana ny tao amin’ny fiadidian’ny tanàna, Randrianaina Georges Mamy ben’ny tananan’ny kaominy ambonivohitry Faradofay. Nitondra ny maty tany amin’ny fianakaviany tao Bazarikely. Ny ben’ny tanana vaovao miezaka hatrany hamaha ny olan’ny mponina na tsy mbola misy tokotaniny ny vola hanodinana ny tanana. Tsy ataony ambanin-javatra ny fiahiana ara-tsosialy indrindra ireo fianakaviana sahirana ara-pivelomana.

Rfa

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici