- Publicité -
jeudi, novembre 20, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFaradofay - TPI-nanomboka ny C.c.o. : Dosie 300 no handalo fitsarana, vono...

Faradofay – TPI-nanomboka ny C.c.o. : Dosie 300 no handalo fitsarana, vono olona sy vaky fasana ny ankamaroany

Nanomboka tamin’ny fomba ôfisialy ny zoma 20 Novambra ka hatramin’ny 4 desambra ny fotoam-pitsarana C.C.O. any amin’ny Tribonaly Ambaratonga Voalohany any Faradofay. Antotataratasy 300 eo no hotsaraina amin’izany ary ny avy ao amin’ny Fitsarana ambaratonga ambony Toliara no misahana izany .Vono olona ,vaky fasana miharo halatra taolam-paty, ireo no ankamaroan’ny dosie hotsaraina mandritra ny18 andro eo. Avy any Androy sy Anosy ireo voakasika. Betsaka amin’ireo voafonja no efa an-taonany maro no tao am-pigadrana ary izao miatrika fitsarana azy ireo izao. Marihina fa maro amin’ireo voafonja no migadra vokatry ny tondro molotra, saika tambanivolo avokoa ny ankamaroan’izy ireo ary efa mihanika ny folo taona tao am-pigadrana.

Rfa

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici