
Lehilahy iray indray no voasambotry ny zandary avy etsy amin’ny tobim-paritra Tana Ville, omaly, noho ny resaka fisolokiana hatrany. Dia mbola paikady efa mahazatra ihany no ataon-dranamana rehetra hamandrika ireo olona ho ataony haza izy, araka ny fampitam-baovao azo. Milaza ho mpiasa amin’ orinasa iray ary mampanantena olona fa mahatafiditra hiasa ao amin’io orinasa io. Mazava ho azy anefa fa tsy samaritàna tsara fanahy akory ingahirainy ka maimaimpoana no hanaovany izany : sandaina vola farafaha-keliny iray tapitrisa ariary ny servisy atolony. Tsy vitan’izay fa milaza ihany koa ingahy fa hoe mbola mahatafiditra fiara hampiasaina ao amin’ilay orinasa, ary takiana vola ihany koa ny tompon’ny fiara. Maro ireo roboka tamin’ity tolotra nomeny ity ary saika ireo mpiara-mivavaka aminy ao amin’ny fiangonany no ataony lasibatra. Taty aoriana anefa vao fantatra fa « tsy mpiasa ary tsy manana andraikitra akory amin’ilay orinasa anefa ny tenany fa fisolokiana ihany » hoy ny vaovao. Nametraka fitoriana ireo voasoloky ary io tra-tehaky ny zandary io ingahy mpisoloky mpivavaka be. Notanana natao andrimaso teny Betongolo moa ity lehilahy mandra-piandry ny fanolorana azy eny anivon’ny Fitsaràna.
Mafy dia mafy mihitsy amin’izao izany hoe te hiasa ao amin’orinasa izany, indrindra fa hoe raha tafiditra mpiasam-panjakana. Hany ka miantsampy amin’izay olona afaka mahatafiditra ny sasany. Lasa hazan’ireo ratsy saina sy mpisoloky fotsiny aty aoriana. Jerem-potsiny toy ny tany nalavoana avy eo ilay vola lasan’ireo tsy mataho-tody. Ary ny loza dia mety ho voaenjiky ny lalàna ihany koa avy eo. Satria efa sokajiana ho fikasàna hanao kolikoly izany ary efa nivonona ny hanao izany rahateo ny mpanolotra. Ary tiana ny mampatsiahy fa mitovy ny sazy azon’ny mpanome sy mpandray kolikoly.
m.L