- Publicité SW45 -
jeudi, décembre 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFarafangana : Andian-jiolahy nifanehatra tamin’ny pôlisy

Farafangana : Andian-jiolahy nifanehatra tamin’ny pôlisy

Raikitra any an-kitifitifitra. Nanakoako eraky ny tanàna ny feom-basy, raha mbola ao anaty torimaso mamy ny ankabeazan’ny mponina. Ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy teo, nitrangan’ny fifandonana mahery vaika teo amin’ny pôlisy sy ny andian-jiolahy, izay tsy fantatra na nikasa hanafika na efa nahavita ny asa ratsiny, tao amin’ny tanàna iray, tao amin’ny fokontany Marofantsy, any amin’iny distrikan’i Farafangana iny.

Araka ny fampitam-baovao azo dia misy hatrany ny fisafoana tsy tapaka, na andro na alina ataon’ny eo anivon’ny kaomisaria any an-toerana, entina miady amin’ny tsy fandriam-pahalemana ary hametrahana filaminana maharitra any an-toerana. Nandritra izay fotoana izay indrindra, raha sendra nandalo tao amin’io tanàna voalaza etsy ambony io ireo mpitandro filaminana, no nifanena tamin’ny andian’olona mampiahiahy, miisa telo, tokony ho tamin’ny iray ora maraina tany ho any. Raha handeha hanatona hisava azy ireo anefa ireo pôlisy dia basy avy hatrany no nitsena azy ireo. Ary nitsoaka toy tsy teo ireo andian’olona. Velona avy hatrany ny fifanenjehana narahina fifamaliana tifitra hatrany. Vokany : iray tamin’ireo olon-dratsy no lavo raha nanohy ny fandosirany sy nanararaotra ny hamaizinana tao an-toerana ireo namany. Rehefa nozahana akaiky moa dia tsy azo natao na inona na inona intsony ity lavo ity. Voan’ny bala ary maty tsy tra-drano. Mbola nahitana basy vita gasy iray sy bala calibre 12 moa tany amin’ity farany, raha ny fampitam-baovao azonay avy amin’ny pôlisy. « Nogiazan’ny avokoa ireo fitaovana ireo. Mbola mitohy ny fikarohana ireo jiolahy ireo ankehitriny», raha ny vaovao azo hatrany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici