Lehilahy iray sahabo ho 40 taona eo no hita faty nitsingevana teo amin’ny reniranon’i Manambato, omaly naraina, teo amin’ny toerana atao hoe : « Tsiragnam-biavy », Fokontany Anivorano, Kaominina Ambonivohitra Farafangana. Nibontsina efa simba tanteraka ny razana, ka tsy nisy namatarana azy intsony ny tarehin’ity lehilahy hita faty ity. Ary mbola teny an-kodiny avokoa ny fitafiny ambony ambany nanaovany. Nakarina am-bohitra ny razana. Taorian’izay dia noraisin’ny Fiadidian’ny tanànan’i Farafangana avy hatrany ny fandevenana an’ity lehilahy faty tsy fantatra fianakaviana sy ny momba azy ity. Nanentana ny rehetra ny tompon’andraiki-panjakana any an-toerana, ary niangavy izay manana havana tsy hita mba hanao filazana amin’ny manam-pahefana tandrify izany. Hatreto, tsy fantatra na nisy namono na maty an-drano ity lehilahy ity. Efa misokatra moa ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana, ka ho hita eo ny marina mahakasika ity tranga ity.
Eric Manitrisa