Nitrangana fanafihan-dahalo mpanakan-dalana nitam-basy indray tany amin’ny distrikan’i Farafangana, afak’omaly hariva, tokony tamin’ny dimy ora. Araka ny tati-baovao voaray, dia fiara kamiao iray mampitohy an’i Lohatranambo sy Farafangana renivohitra, izay nitondra mpivarotra avy nitety tsena no notafihan’ny valo lahy nitondra basy sy zava-maranitra, sahabo 20 km tsy hiditra ny tanànan’i Farafangana amin’ny RN27 iny. Vokatry ny tifitra sy fira antsy ary kapa famaky, dia olona 11 no naratra mafy, ka tsy maintsy naiditra hopitaly haingana ao amin’ny CHRR Farafangana, ary efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy avokoa ireo maratra. Voaroba lasan’ireo dahalo nandritra ity fanafihana ity avokoa ny volan’ireo mpamonjy tsena rehetra niampy firavaka volamena sy finday. Manao ny fikarohana sy hazalambo an’ireo olon-dratsy ny mpitandro filaminana ampian’ny fokonolona ankehitriny.
Eric Manitrisa