- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversFarafangana : Lehilahy nitondra vola sandoka iray sakaosy, nifanenjehana eran’ny tanàna

Farafangana : Lehilahy nitondra vola sandoka iray sakaosy, nifanenjehana eran’ny tanàna

Miverina miparitaka ao an-tampon-tanànan’i Farafangana indray efa ho herinandro izao, raha ny loharanom-baovao azo avy any an-toerana ny vola sandoka. Misy vola 500 ariary hafahafa amin’izao mameno ny tanàna. Lehilahy iray fotsy fihodirana no ahiahiana nanaparitaka ireto vola sandoka ireto, nifanenjehana tamina fokontany telo nanomboka tao Morafeno ka hatreny Fenoarivo sy Ambahibe, ny faran’ny herinandro teo.Tsy azo anefa, satria rehefa saika ho tratra iny izy dia natsipiny teny amin’ny tany ny sakaosy iray feno vola sandoka ary nifandrombaka naka izany ireo mpanenjika na dia fantatra izao aza fa vola sandoka no tao. Vetivety dia niely tao an-drenivohitry ny Faritra Atsimo Atsinanana ny tsaho vokatry ny “ radio “ voatavo, fa vola vaovao natontan’ny fanjakana izy io noho ny malagasy tsy manaja vola ka izay no mahahafa azy. Raha ny loharanom-baovao hatrany , mitovy amin’ny vola rehetra ihany ity vola ity raha jerena akaiky, fa ilay soratra 500 ariary ao anatiny no tsy misy. Tsy mandray rora ary malamalama tsy mety lena, fa ohatra ny natao « plastification » io vola io, satria raha akasoka amin’ny tenany dia misaraka roa ary hita hoe natambatra. Amin’ny tranga toy izao dia mila hazavain’ny tompon’andraikitra amin’ny vahoaka ny tena marina, mba hialana amin’ny tsaho inian’ny sasany haely, toy ny nitranga tao Toliara farany teo ireny.

Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser