Ny alatsinainy lasa teo, handeha hody hamonjy ny toby misy azy ireto miaramila roalahy no notafihana bandy roalahy koa; raikitra ny fifanjevoana. Tsy nahaleo an’ireo bandy anefa ireto miaramila ka lasa nandositra ny iray. Ilay faharoa tavela teo. Io no niharan’ny daroka ary naratra mafy tokoa. Tsy maintsy nampidirina hopitaly. Ankoatra izany, lasan’ireo mpanendaka ny basy Kalach iray miaraka amin’ny bala 30. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa avy niandry toby fivarotana solika tao an-tanàna ireto miaramila ireto izao voaendaka sy voadaroka izao.
Efa eo am-pelatanan’ny zandarimariam-pirenena any Farafangana ny raharaha amin’izao fotoana izao.
ALEM