Araka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny ao amin ny Faritra, ny faran’ny volana aogositra teo, dia avela halalaka ny fivarotana sy fividianana ny jirofo ato anatin’ny Faritra, amin’izao fotoana izao, ka ny antony araka ny nambara tamin’ny mpanao gazety dia noho ny fiovaovan ny toetrandro ka tsy miaraka matoy ny jirofo. Raha jerena an-kitsipo dia tsara ilay fepetra, satria afaka mivarotra ny vokatra an-kalalahana sy am- pitoniana ireo tantsaha manana vokatra matoy alohan’ny fotoana fa etsy ankilan’izay, dia misy ihany ny mampiahiahy ny olona sasany amin’ireto toe-javatra ireto. Voalohany dia ahiana ny haharatsy ny vokatra amin’ny ankapobeny, satria hisy ny hanararaotra ny fahasahiranan’ ny tantsaha amin’izao ka hividy mora ireo jirofo manta ka any amin’ ny farany dia hifangaro ny tsara sy ny ratsy. Voalaza fa, ny ben’ny tanana no manome fahazoan-dalana ny tantsaha hivarotra ny vokatra matoy, ka ho vitany ary ve ny hanara-maso izany any anivon’ ny fokontany rehetra any? Nambara koa, fa mbola tsy mivoaka ivelan’ny faritra ny vokatra raha tsy misokatra amin’ny fomba ofisialy ny taom- piotazana jirofo,ka ho araka ve ny fivezivezen’ny vokatra miainga any ifotony hatreto amin’ny renivohi-paritra ka tsy hotafaporitsaka any ivelany? Vahaolana haroso ary ny hoe tokony hatrany amin’ ny fokontany no nomena andraikitra sy fahefana hanara-maso ny fanajana ny fepetra ka toy izany koa ireo ambaratongam pahefana hatraty amin’ny Faritra ka atao mifanaraka amin’izay koa ny fizarana ny tombontsoa azo. Tsy azo atao ve izany ?
Imahita