- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversFarafangana : Misy manaparitaka vola sandoka, telo lahy naiditra am-ponja vonjimaika

Farafangana : Misy manaparitaka vola sandoka, telo lahy naiditra am-ponja vonjimaika

Izay ny vokatry ny fanadihadiana izay nosokafan’ny polisy, mahakasika ny fisian’ny tambajotra izay mpanaparitaka vola sandoka ao Farafangana. « Nosavaina ny trano fonenan’ny olona izay noahiahiana ka mbola nahatrarana vola sadoka 20.000 ariary miisa 51 tokoa. Olona efatra no voasambotra ka nandritry ny fanadihadiana azy ireo no nahafantarana fa ny iray no mpamatsy ny vola sandoka ireo namany telo hafa. Raha mahavita manaparitaka vola sandoka izay mitentina 100.000 ariary ireo farany dia mahazo tambiny vola tena izy 30.000 ariary » raha araka ny fanazavan’ny polisy. Notsipihan’ny mpanao fanadihadiana fa ao amin’ny fokontany Marofantsy ao Farafangana notoerana izay fizarana ireo vola sandoka ireo. Ny alakamisy teo no niroso tamin’ny fisamborana ireo mpitandro ny filaminana ary nitohy tamin’ny fisavàna trano fonenana izany rehefa nahazo alàlana tamin’ny fampanoavana. Raha araka ny lalàna famaizana dia mampigadra mandram-pahafaty ny fanamboarana ary koa ny fanaparitahana vola sandoka. Hatreto anefa dia mbola misy ihany ny tambajotra izay mirisika ao anatin’ilay sehatra maloto. Nisy fotoana dia tany amin’ny faritra atsinanana no tena niparitaka izany ary rava ihany rehefa nifanesy ny fisamborana. Taty aoriana izany dia niova faritra indray ireo olon-dratsy izay tompon’antoka amin’ny famotsiana ireo vola sandoka.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici