- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversFarafangana : Mpampianatra iray maty notifirin’ny jiolahy, lasan’ny olon-dratsy ny basiny

Farafangana : Mpampianatra iray maty notifirin’ny jiolahy, lasan’ny olon-dratsy ny basiny

Mpampianatra iray, antsoina hoe Ravelomanantsoa Benoit, « surveillant » ao amin’ny « Ceg de Référence » Farafangana, Dren Atsimo Atsinanana, no maty notifirin’ ireo jiolahy nanafika tao an-trano natoriany, ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy teo, tokony ho tamin’ny roa ora naraina, tao amin’ ny fokontanin’ i Mahatsara Avaratra, Distrikan’i Farafangana. Namela kamboty fito mianadahy sy sy mananon-tena iray Ratompokolahy. Raha vao tafiditra tao an-trano ireo jiolahy nanao be fiavy, araka ny nambaran’ny vadin’ny maty, dia nanontany avy hatrany : « aiza ny basinareo ? », ka raha vao niarina teo am-pandriana natoriany ity raim-pianakavina ity, dia tifitra no nitsena azy ary niantefa teo amin’ny tratrany sy ny sorony ny bala. Rehefa tsy afa-nihetsika, tsy afaka nanao na inona na inona ny iray trano, dia nentin’ireo olon-dratsy ny basin’ity mpampianatra nitolefika tsy nahatsiaro tena ity intsony, hoy ny tati-baovao voaray. Raha ny fantatra, dia anisan’ireo may trano ny 11 febroary lasa teo, tao amin’ny fokontany Morafeno ity mpanabe 60 taona katroka ity, izay an-dàlana mikarakara ny antontan-taratasy fisondroan-drononony, mamaramparana ny fanatanterahany ny asany, izao nindaosin’ny fahafatesana izao noho ny hetraketrak’ireo tsy mataho-tody.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici