- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversFarafangana  : Mpimasin-dahalo maty voatifitry ny zandary

Farafangana  : Mpimasin-dahalo maty voatifitry ny zandary

Izy no tompon’ny ketrika amin’ny resaka fanafody gasy hampiasain’ireo malaso any amin’iny distrikan’i Farafangana sy ny manodidina iny. Teo am-pamoriana ireo olon-dratsy mihitsy ingahy dadarabe no tonga ny zandary. Raikitra ny fifampitifirana. Fantatra amin’ny anara-petaka hoe Kolera. Ombiasa na dadarabe iray no fantatra fa maty voatifitra tao anaty fifandonana tao amin’ny tanana antsoina hoe Ambalavato Antevato, ao amin’ny Etrotroka, distrikan’i Farafangana, ny talata teo. Raha ny fampitam-baovao azo dia niainga tamin’ny fanafihan-dahalo nitranga tany an-toerana ny voalohan-dohan’ny volana teo ny fikarohana ity mpanao fanafody gasy ity. Rehefa nisy mantsy ny vaovao azon’ny zandary, mahakasika ity rangahy ity, izay fantatra fa mpamatsy ody bala sy karazam-panafody gasin’ireo olon-dratsy dia nidina avy hatrany tany amin’ny toeram-ponenany ireto mpitandro filaminana ary nametraka paik’ady hisamborana azy. Vao niakatra ny tanana anefa ireto mpisambotra dia efa nahatsikaritra azy ireo, ireo olon-dratsy izay mbola teo am-pivoriana niaraka tamin’ity mpimasy ity. Nitifitra avy hatrany ireto farany. Voatery niaro tena ireo mpitandro filaminana ka namaly tifitra ihany koa. Raikitra ny fifandonana mahery vaika. Fantatra fa nisy iray tamin’ireo olona tao an-trano no voatifitra ary rafitra nitsoaka avokoa ireo ambiny. Taorian’ny fitsirahana ny razana no nahafantarana fa io lehilahy io no ilay ombiasa saika hosamborina. Mbola mitohy moa ny fikarohana sy ny hazalambo atao amin’ireo namany any an-toerana. Heverina kosa hoy hatrany ireo mpitandro filaminana fa hilamindamina ny resaka asan-dahalo any an-toerana noho ny tsy fahafahan’ity ombiasan’ny dahalo manao ny asa ratsiny intsony.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici