- Publicité -
vendredi, mai 9, 2025
AccueilFaits-DiversFarafangana : Nahazo fanampiana ireo fianakaviana marefo

Farafangana : Nahazo fanampiana ireo fianakaviana marefo

Fianakaviana marefo avy amin’ ny tokantrano 506, ahitana zaza latsaky ny 5 taona sy vehivavy bevohoka tsy ampy sakafo ary vehivavy mampinono tsy ampy sakafo no nisitraka « rations des protections » omaly. Nahazo tombony tamin’ izany ireo fianakaviana ao amin’ ny kaominina Ihorombe distrikan’ i Farafangana faritra Atsimo Atsinanana, tamin’ireo fokontany dimy toa ny fokontany Lohavala, Mahabo, Vohibolo, Vohiposa, Beretry. Fiaraha-miasa teo amin’ ny depioten’ i Farafangana, Raheriarijaona Regina Clarisse sy ny ONN ary ny minisiteran’ ny mponina izao hetsika izao.  Vary 25 kilao, tsaramaso 5 kilao, menaka 1 litatra isan-tokatrano no nomena ireo mpisitrika. “Hetsika tafiditra ao anatin’ ny fanampiana ny mpiara-belona sy ny ady amin’ ny tsy fanjariantsakafo amin’iny faritra Atsimo Atsinanana iny, indrindra ao amin’ ny distrikan’ i Farafangana”, araka ny fanazavan’ ny depiote Raheriarijaona Regina Clarisse. Tsy hijanona eo fa hitohy ny hetsika fanohanana ny fianakaviana marefo tahaka izao fa santatra ihany ity natao tamin’ ireo fokontany dimy ao amin’ ny kaominina Ihorombe ity araka ny nambarany hatrany. Araka izany, miandrandra izany ireo olona any amin’ny fokontany sasany, ary maodely ho an’ny faritra hafa izao hetsiky ny depiote izao, ary maneho ny  fiaraha-miasa amin’ny mpiombon’antoka ihany koa.

Yv Sam

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici