Zelema na Iaban’i Zamisy, izay no anaran’ny gadra iray izay isan’ny tafatsoaka nandritra ny fahavakisan’ny fonja tao Farafangana farany teo. Nisy olon-tsotra nanome vaovao mahakasika ny toerana niereny ary nohamarinin’ny zandary tao an-toerana izany. Tena nitombina tokoa. Ny alarobia teo no voasambotra ilay gadra nitsoaka ary avy hatrany dia nanokafana fanadihadiana. Mbola mitohy ny fikarohana ny namany, izay miisa 16 miriaria any. Hatao hazalambo izy ireo raha araka ny fanamarihan’ny zandary. Raha tsiahivina dia 88 no tafatsoaka nandritra ny fahavakisan’ny fonja tamin’ny volana aogositra teo. Nisy ny fampiasana fitaovam-piadiana avy amin’ny mpiandry fonja ka nahalavo ny 24 tamin’ireo gadra. Teo ihany sy nandritra ny fanarahan-dia no nahazoana ny 48 voalohany. Amin’ity raharaha ity dia misy ny fanomezana valisoa mitentina roa tapitrisa ariary isaky ny voafonja voasambotra. Etsy andanin’izany anefa dia niteraka resa-be toe anivon’ireo sehatra mpiaro ny zon’olombelona ity raharaha ity, indrindra fa ireo manana sampana iraisam-pirenena. Ny fahavakisan’ny fonja teo ihany fa kosa ny fahalavoan’ireo olona 24 nandritra izany no melohin’ny fikambanana maro misehatra amin’ny fiarovana ny zon’olombelona izay mangataka fanadihadiana lalina momba ny raharaha mba hivoahan’ny marina ary hahitàna raha mitombina ny fampiasan-kery izay nahafaty olona marobe.
D.R