Ny hitsikitsika natao handihizana indray no nipaoka ny zanak’akoho, raha ity tranga mamoehitra tsy faseho masoandro tany amin’ny Distrikan’i Farafangana ity. Raim-pianakaviana iray, izay voalaza fa polisy kaominaly no tra-tehaky ny fokonolona nametaveta zazavavy vao 12 taona monja, ny alin’ny talata 7 marsa lasa teo, tao amin’ny fokontany Lohatranambo, Kaominina Ambohigogo. Nosamborin’ny Fokonolona ilay lehilahy nahavanon-doza ary nofatorany, avy teo natolotra ny Kaominina izy mandra-pahatongan’ny mpitandro filaminana. Mandra-pahatongan’ireo bebaoty haka azy anefa, dia nisy tamin’ny olona no niakatr’afo, ka saika hamono an’ity polisim-bohitra tratra nanolana zaza tsy ampy taona ity. Noho ny herisetra ara-nofo mafy nihatra tamin’ity voatavo tsy mifandraka ity, dia simba tanteraka ilay zaza ary tsy maintsy nozairina ny teo amin’ny maha vehivavy azy rehefa tonga tao amin’ny hopitaliben’i Farafangana, hoy ny vaovao voaray.
Eric Manitrisa