
Ny telo azo sambo-belona, ny iray maty voatifitra. Ankoatr’izay, basy vita gasy telo no tratra, niaraka tamin’ny bala am-polony ary ireo fitaovana isan-karazany fanamboarana basy. Mazava ho azy, ny ody gasy tapa-gony tsy niala niaraka tamin’ireo antsy lava sy zava-maranitra isan-karazany … Ireo no vokatra azon’ny teo anivon’ny zandary avy ao Farafangana, rehefa nisy ny fidinana ifotony sy ny fisavàna tranon’olona nampiahiahy tao Lokandambo, kaominina Anosivelo. Voalazan’ny fampitam-baovaon’ny zandary fa anisan’ireo tambajotra lehibe, mpamatsy basy iny faritra Atsimo Atsinanana izy ireto ary karazana orinasa kely mihitsy. Ny herinandro lasa teo no nahazo vaovao mahakasika ny fisian’ity toerana fanamboarana sy fividianana basy ity ireo mpitandro filaminana. Niroso tamin’ny fanamarinam-baovao izy ireo ary rehefa nahazo alalàn’ny fitsaràna dia niditra avy hatrany amin’ny fisavàna ilay trano voatondro. « Trano roa no nosavaina ka nahitana basy vita gasy roa ka ny iray vao avy namboarina sy bala 14 ary fanafody gasy maro » hoy ny vaovao. Olona iray no voasambotra tamin’io fotoana io, voalaza fa tompon’ny ketrika tamin’ity bizina maloto ity. Efa basy gasy lava miisa dimy no lafon-dranamana ary efa manodidina ny roa taona teo no nanaovany io asa io. Voalazany fa tsy fantany ireo mpanjifany saingy kosa fantany ny toerana misy azy ireo. Mazava ho azy fa fanadihadiana miroso ny an’ireo zandary, izay te hamongotra hatramin’ny farany ity tambajotra ity. Teny an-dalana anefa, voalaza fa saika hanita-kevitra hitsoaka ingahirainy ary efa nahavoaray basy hafa sy nitifitra mihitsy aza, saingy tsy nahavoa. Voatery namaly ny zandary. Voa ingahirainy ary maty. Ny famotorana moa efa niroso rahateo ka notsimponina fotsiny ireo namany. Izy ireo izay fantatra fa isan’ireo namono olona tany Tainganony, ny voalohandohan’ny volana teo. Telo izy ireo no natolotra ny Fampanoavana ny andron’ny talata teo, hoy hatrany ny vaovao ary nadoboka am-ponja avy hatrany any. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo izay mety ho namany.
m.L