- Publicité SW45 -
mercredi, octobre 23, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFarafangana : Rongony 80 kilao indray no saron’ny zandary

Farafangana : Rongony 80 kilao indray no saron’ny zandary

Miroso hatrany ny ady amin’ity trafikan-drongony ity ataon’ireo mpitandro filaminana. Afak’omaly, rongony milanja teo amin’ny 80 kilao teo indray no saron’ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Farafangana tao amin’ny kaominina Tovana. Tamin’ity indray mitoraka dia tsy nandeha fiara intsony indray ireo olon-dratsy, izay toa efa mahafantatra ny fisavàna ataon’ireo mpitandro filaminana fa niafina tamin’ny fandehanana an-tongotra. Araka ny fanazavana azo dia handeha hihazo an’i Manakara ireto mpanao trafika rongony ireto. Noho ny paik’ady napetrak’ireo mpitandro filaminan anefa dia fantatra ny fisian’izy ireo. Natao avy hatrany ny fanenjehana ary io tra-tehaka tao amin’ny kaominina Tovona ireto olona ireto. Olona efatra izy ireo, hoy ny vaovao, ary samy nilonjehitra gony miisa dimy izay nahitana rongony maina efa vonon-kamidy. Nogiazana ao amin’ny toby misy ny vondron-tobim-paritry ny zandary ao Farafangana moa ireo rongony an-jatony kilao latsaka ireto. Ireo voasambotra kosa natao andrimaso ho amin’ny famotorana ao amin’ny Gapj Farafangana.

m.L

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici