- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversFarafangana : Simba ny « RN pôlitika »

Farafangana : Simba ny « RN pôlitika »

Ilay ampahan-dàlana 20 km tsy hidirana ao farafangana avy aty avaratra no nomen’ny olona anarana hoe,l alam-pirenena politika io.    Amin’iny lalam-pirenena faha-12 iny no misy azy,ka ny tondradrano  tamin’ny fiandohan’ny fitondrana tetezamita no nahapotika azy io, kanefa mandran-kandroany dia tsy nisy ny tena fanarenana matotra mifanaraka amin’ny maha lalam-pirenena azy. Isaky ny nisy mpitondra ambony nandalo tao farafanga nanomboka tamin’ny  tetezamita ka mandraka ankehitriny dia nataon’ny mpitondra nifandimby tao an-toerana laharam-pahamehana ny fangatahana ny fanamboarana io ampahan-dalana io, kanefa indrisy fa fampanantenana poakaty no betsaka. Taty aoriana dia tsisy niteny azy io intsony na dia misy ny mpitondra ambony  mandalo, satria zary tondroin’ny vahoaka molotra eo fotsiny ka ny hakiviana no nahatonga ny olona nametaka ny anaran’io ampahan-dalana io ho lalam-pirenena politika na RN pôlitika. Andro iray nialohan’ny fampielezan-kevitra tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna farany teo no nanaovana lanonana manetriketrika ny fanombohan’ny fanarenana io ampahan-dalana io ka ny praiminisitra teo aloha Jean  Ravelonarivo no nitarika izany. Indrisy anefa fa fipasopasohana sy fanotofana lavaka no natao tamin’izany ka ankehitriny dia simba tanteraka indray io RN politika io,ka asa miandry fifidianana indray vao hanaovana hetsika politika amin’ny maha RN politika azy.

Imahita  

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici