Ao anatin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny rongony dia nisy vaovao voarain’ny teo anivon’ny pôlisy avy ao Farafangana ny amin’ny fisiana fiara « sprinter » iray mampiahiahy nijanona teo anoloana trano fandraisam-bahiny tany an-toerana. Voalaza fa isan’ireo mpitondra rongony, mpanamparitaka izany amin’ireo kaominina maromaro any an-toerana izy io. « Efa malaza ao amin’iny faritra iny ny fisiana olona mitondra rongony ho vatsiana amina toerana maro » hoy ny fampitam-baovao. Nidina avy hatrany teo amin’ny toerana voalaza ireo mpitandro filaminana ary nanao ny fisavàna. Inona tokoa fa hita tao anatin’izany fiara izany ny rongony maina maromaro, efa vonon-kaondrana, natao anaty gony misesika niisa efatra. Lehilahy miisa roa no nosamborina avy hatrany ary nentina nanaovana fanadihadiana. « Tamin’izany no nahalalana fa olona mipetraka ao Manasoa distrikan’ny Vangaindrano no andraisan’izy ireo ireto rongony ireto ». Omaly no natolotra ny fampanoavana izy roalahy ireto. Nogiazana kosa tetsy andanin’izay ilay fiara nitondra zava-mahadomelina. Mbola mitohy kosa ny fanadihadiana.
m.L