- Publicité -
lundi, juillet 14, 2025
AccueilFaits-DiversFarafangana : Zandary iray maty voatifitra, notapahin-doha ny rainy

Farafangana : Zandary iray maty voatifitra, notapahin-doha ny rainy

Ankoatra ireo tany Maevatanana, Betroka ary Amparafaravola dia fantatra ihany koa izao fa nisy zandary iray, izay namangy ny fianakaviana no maty notifirin’ny jiolahy tany amin’iny distrikan’i Farafangana iny. Ny alakamisy lasa teo, raha  tonga nitsidika ny rainy tany Bevoha, ao amin’ny fokontany Manatsara, eo amin’ny iray kilaometatra miala ny kaominina ambonivohitr’i Farafangana, ny zandary iray no nisy nanafika tampoka tao amin’io tokantrano io. Efa-dahy ireto olon-dratsy ireto, raha ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandarimariam-pirenena, izay nitondra basim-borona. Mbola teo am-pisakafoana ireto mpianakavy ireto no nanao amboletra niditra ireto mpanafika. Tsy nisy alaharo alaharo teo fa avy hatrany dia niantefa teny amin’ny tendan’ilay rangahy lehibe ny antsy, nanapaka izany ankitsirano. Maty tsy tra-drano ity raim-pianakaviana ity. Teo noho eo ihany, tsy navelan’ireto olon-dratsy nikofoka akory ilay zandary fa avy hatrany dia niantefa teny aminy ny basy. Voa teo amin’ny lohany ihany koa ity zandary mitondra ny grady «GPCE» ity ary namoy ny ainy avy hatrany. Raha ny loharanom-baovao hatrany dia mbola nisy olona roa hafa tao amin’io tokantrano io saingy tsy nataon’ireo olon-dratsy n’inona n’inona. Tsy nisy afa-tsy « lecteur » sy « panneaux solaire » no nalain’ireto mpanafika tao an-trano ary nanao tari-dositra nitsoaka izy ireo nony vita ny asa ratsiny. « Nandre ny zava-nitranga ny zandary tao Farafangana ka nidina avy hatrany teny an-toerana ary nanao ny fikarohana, saingy efa tsy tratra ireo jiolahy ». Noraisin’ireo zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-pileovana Atsimo Atsinanana avy hatrany moa ny raharaha amin’ny fikarohana ireto olon-dratsy nahavanon-doza.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici