- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversFarafangana : Zaza dimy taona, maty voahitsaky ny fiara mpanao propangady 

Farafangana : Zaza dimy taona, maty voahitsaky ny fiara mpanao propangady 

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona indray tao an-tampon-tanànan’i Farafangana, omaly tamin’ny 10 ora sy 51 minitra, tao amin’ny fokontany Mahatsara, ka zazavavikely iray sahabo ho dimy taona eo no maty tsy tra-drano voahitsaky ny fiara « Sprinter » teo amin’ny lohany, ka niparitaka eraky ny arabe ny rà. Raha ny vaovao voaray, dia nijapy tamina fiara iray nentina mpanao fampielezan-kevitra ity zaza. Nitontona tao anaty lalan-dratsy ilay « Sprinter » ka potraka ilay zaza ary voahitsaka. Voalaza fa tsy hitan’ny mpamily ny zava-nisy, ka rehefa niseho ny loza dia ny olona teo amin’ny manodidina no nanaitra an’ilay saofera. Noho ny tahotra ny mety hisian’ny fitsaram-bahoaka, raha vao nahita ny loza ilay mpamily, dia nitsoaka avy hatrany niaraka tamin’ny fiara nentiny.

Nangonin’i Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici