- Publicité -
dimanche, octobre 26, 2025
AccueilFaits-DiversFaran’ny herinandro : Feno lozam-pifamoivoizana

Faran’ny herinandro : Feno lozam-pifamoivoizana

Anisan’ny loza nandritra ny faran’ny herinandro.

Nalalaka ny làlana ary heverina ho nifandraika amin’izany ny fisesin’ny lozam-pifamoivoizana teto an-drenivohitra sy ny manodidina azy. Tetsy amin’ny lala-mahitsy etsy Fenoarivo izay mifanandrify amin’Ambodiafotsy dia fiara iray no niala ny làlana ary nifatratra tany an-tanimboly. Mpianaka no tao anaty fiara ary samy naratra mafy. Omaly maraina dia fantatra fa namoy ny ainy ny raim-pianakaviana raha mbola tsaboina mafy kosa ny zanany. Omaly maraina indray dia nisy moto voadonan’ny fiara. Nisy naratra mafy ary tsy nahatsiaro tena taorian’ny fifandonana. Nijery fotsiny izay nandalo ary efa elaela mihitsy izay vao nisy olona sahy nitondra teny amin’ny toeram-pitsabona ny naratra. Tetsy Talatamaty indray dia kodiaran-droa sy fiara marika Range Rover no nifandona. Naratra mafy ny mpitaingina moto, tsy afa-nihetsika intsony na dia nahatsiaro tena aza. Nentina haingana tao amin’ny toeram-pitsaboana teo an-toerana mba hamonjena ny ainy. Nalàlaka ny arabe rehefa nihena ny fiara izay nifamezivezy noho ny tahotra sao ho voatora-bato na tafiditra anaty tolona. Betsaka arak’izany ny mety ho nanararaotra nandeha mafy ary mety ho antony nitarika ny lozam-pifamoivoizana teto an-drenivohitra tamin’iny faran’ny herinandro iny.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici