- Publicité -
lundi, août 18, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFaran’ny herinandro tsy niheren-doza : Nisesisesy ny lozam-pifamovoizana

Faran’ny herinandro tsy niheren-doza : Nisesisesy ny lozam-pifamovoizana

Somary lavalava iny faran’ny herinandro teo iny … Betsabetsaka ihany koa ireo lozam-pifamoivoizana nitranga tamin’ireo lalana teto an-drenivohitra na ireo lalam-pirenena. Nisy ireo namoizana aina maromaro, toy  ny nitranga tamin’iny lalam-pirenena voalohany iny. Mazàna dia vokatry ny tsy fitandreman’ny mpamily sy fandehanana mafy avokoa no nahatonga azy izany. Ankoatry ny fisetrasetran’ireo mpitondra môtô moa, toy ny nitranga omaly tetsy Paraky Soanierana omaly.

RN1

Raha ny vaovao azonay hatreto dia olona sivy no namoy ny ainy tamin’ireo lozam-pifamoivoizana ireo. Ny goavana indrindra ny nitranga tetsy Ankadinondry Sakay ny alin’ny zoma lasa teo. Fiara taxibrousse mampitohy zotra nasionaly, mampitohy an’i Tsiroanomandidy sy Ambositra no nivarina an-kady. Mpandeha efatra no maty ary am-polony maromaro ireo naratra. Raha ny fampahafantarana nataon’ny teo anivon’ny zandary dia teo am-pisongonana fiarabe ity fiara mpitatitra ity no nisy nifanena taminy. Ny lalana fiarakana. Voatery niala izany ny mpamily. Nanitsaka hisatra tampoka izay nitarika tamin’ny fahafatesan’ny môtera. Nihemotra ny fiara. Tsy voatana intsony ary io nivarina an-kady io, teo Ihazomay, fokontany Fanjakamandroso, kaominina Ankadinondry Sakay.

RN7

Mbola fiara mpitatitra iray ihany koa no niharan-doza teo Antanivao, fokontany Tsaravavaka, kaominina Andranomanelatra, tamin’iny lalam-pirenena fahafito iny indray. Niezaka niala mpitondra bisikleta iray, izay nanapaka tapaka ny lalany ny mpamily ka nifatratra teny amin’ny rindrim-bato iray. Sendra voafaoka tamin’izay ihany anefa ilay tovovavy mpitondra bisikleta ka nianjera. Mafy dia mafy ny fianjerana, hoy ny vaovao ka nitarika ny fahafatesany, nony tonga tany amin’ny toeram-pitsaboana.

RN2

Ny alin’ny zoma hifoha sabotsy teo fiarabe iray no nivadika, teo amin’ny dimy kilaometatra tsy hiditra ny tananan’i Toamasina. Vokany, potika tanteraka ny lohan’ity fiarabe ity ary namoy ny ainy voatsindry tao anatin’izany ny mpamily. Hatreto tsy fantatra mazava izay tena zava-niseho fa azo heverina ho vokatry ny fandehanana mafy no mety nahatonga ny loza. Ny marainan’ny sabotsy teo moa, vao azo ny vatana mangatsiakan’ity mpamily ity rehefa noezahina nosikirina tao anatin’ilay fiara.

RN4

Omaly, fiara tsy mataho-dalana iray, avy any Mahajanga hihazo an’Antananarivo no tafiala lalana, noho ny olana ara-teknika nahazo ny fiara, teo Ambodimanga Ankarafantsika, kaominina Marosakoa ary nivadibadika taorian’izay. Potika tanteraka ny fiara. Olona dimy no tao anatiny, terantany vahiny sy malagasy, raha ny fanazavana azo ka ny efatra amin’izy ireo no naratra ary ny telo no tena voa mafy sy somary ahiana ny toe-pahasalamany. Efa samy nentina nihazo toeram-pitsaboana avokoa moa izy ireo. Fa talohan’ity, ny andron’ny sabotsy, fiara tsy mataho-dalana iray avy Mahajanga  ihany koa no nifampikatroka tamin’ny fiara Starex avy aty Antananarivo, teo Antapoketsa Manankazo, distrikan’Ankazobe. Vokany olona roa maty tsy tra-drano ary maromaro ireo naratra. Raha ny vaovao azo dia vokatry ny fandehanana mafy nataon’ilay fiara tsy mataho-dalana ary tsy voafehin’ny mpamily intsony fiara ka io nidona teny amin’ilay fiara iray, nandeha nilamina nifanena taminy io.

Paraky Soanierana

Lehilahy iray manodidina ny 30 taona teo ho eo, nitondra môtô scooter no maty tsy tra-drano omaly folakandro, teo amin’ny toerana antsoina Paraky. Voalaza fa nandeha mafy ity môtô, raha ny filazan’ireo nanatri-maso. Nisy fotoana tsy voafehy anefa izany fitaovana izany ka dia nidona tamin’ny andrin-jiro teo amin’io toerana io. Mafy ny dona. Potika tanteraka ilay kodiaran-droa ary namoy ny ainy ilay nitondra azy. Ity farany izay voalaza fa mpitandro filaminana. Nahitàna karatra manondro izay rahateo tany aminy, raha ny vaovao voaray.

Nangonin’i m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici